Richard RATSIMANDRAVA

21 marsa 1931 - 11 febroary 1975




Fahatsiarovana ny faha-80 nahaterahany
21 marsa 1931 - 21 marsa 2011

Lohahevitra mitondra ny hetsika :

« Diotaona ! Diofanahy ! »

« Fandio taona miandra majihy »


Fiaingana hanadio sy hanajihy fiarahamonina :


« Fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka

tsy ny indray mandeha maty vary no handevenan-tsotrobe

na ny arivo solafaka no tsy hiarenana

fa mila fiarenana ny tena

mila fandio ny tany

mba ho fananganam-pirenena »

Fandio hoenti-miatrika ny fahantran-tsaina manafotra antsika

Fandio hoenti-manasina indray ny tontolo novetaina


Fanasana alatsinainy 21 marsa 2011 @ 10:00 ora :

Velakevitra : “Diabe Alaolana” atolotry ny Dr Ramahatra Roland, ravahana fandefasana sary

Fanolorana boky 3 :

“Iza no namono ny Kolonely Ratsimandrava”

“Tapaporohana sisa tsy may”

“Restructuration du monde rural


>>> hijery ny fanasana


Fanasana zoma 18 marsa 2011 @ 3:00 ora tolakandro : Fanokafana ny Fampirantiana

Nomanin’ny Mpanakanto ato amin’ny Tahala Rarihasina. Atolotr’i Hemerson noho ny Faha-80

taona nahaterahan’ny Kolonely Ratsimandrava Richard


>>> hijery ny fanasana


Fandaharam-potoana 17 marsa 2011 - 28 marsa 2011


>>> hijery ny votoaty


Fotokevitra ho fampiorenana, Andro iray hanandratra kolontsaina mampakatra avo ny firenena malagasy


>>> hijery ny votoaty


Antso fanangonana Voambolana


Repoblikan’i Madagasikara

Tanindrazana – Fahafahana – Fandrosoana

AKADEMIA MALAGASY

Foibe momba ny teny

Antso fanangonana Voambolana

Ao anatin’ny hetsika :

« Fampiorenana

Andro iray hanandratra kolontsaina

mampakatra avo ny firenena malagasy »,

ny Komity mpiandraikitra an’io hetsika io dia manainga ny besinimaro hifarimbona
amin’ny fanangonana voambolana sy fombam-pitenenana momba ny :

« Fampiorenana

« Dio », « Fanjihy », « Hasina »,

« Fanahy » ary « Tsangambato ».


Ny voambolana voaangona dia hanatevenana ny antontan-kevitra hoenti-manorina an’io
Andro iray hanandratra kolontsaina mampakatra avo ny firenena malagasy io, sady
ho Andro iraisana ho firavoravoana izay hantsoina hoe :

« Diotaona ! Diofanahy ! »

« Fandio taona miandra majihy ».

Ny voambolana voaangonao dia azo aterina ao amin’ny :
Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy, Tahala Rarihasina, rihana faha-2,
na alefa amin’ny adiresy mailaka : tenymalagasy@gmail.com
alohan’ny Alatsinainy 28 Marsa 2011.
Ampombaina an’ity Antso ity ny Fotokevitra ho fampiorenana Andro iray hanandratra
kolontsaina mampakatra avo ny firenena malagasy sy ny fandaharam-potoana ho amin’ity
taona 2011 ity.

Mankasitraka sahady ny ho firotsahana an-tsehatry ny isam-batanolona no mirary ny
Malagasy rehetra hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny
fanandratana ny kolontsaina mampakatra avo ny firenena malagasy, satria ny tao
trano tsy efan’ny irery.


Ny Komity mpiandraikitra ny hetsika






© All Rights Reserved. Dernières mises à jour : 15 mars 2011

Mailaka ho an'ny webmaster